| Entry | 1 Tonon-taona mampanembona |
| Part of speech | 2 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 3 Literature: poems |
| Author |
4 Dox |
| Full text |
5 6 Mihamandao, mihamisinda, ho dify izao ny fahavaratra... 7 Efa manga tolakandro ny lanitra tsindraindray, 8 Ary misy mahalankalana ny takariva soa tomaratra, 9 Ny alina tomefy kintana, ngaly, tony fehizay. 10 Efa isaina koa izany hanenoana kotro-baratra, 11 Tsy hita intsony ny eton-draratra mpambombambomba alahelo; 12 Ny sori-dalan'ny masoandro mihilana mianavaratra; 13 Efa mihamangoratsaka ny tara-bolana manelo 14 Tsy tsiaro loatra intsony ny evoky ny hafanana. 15 Akaiky dia ho vony vary, manatona ny fijinjana 16 Ka mihorakoraka eny ry zareo mpiandry fody. 17 Tonon-taona mampanembona ny ambanivohitry ny tena! 18 Mahatsiaro ery ny fo… ny an-kafa no jerena 19 Irery aty an-tanin'olona, manimanina te-hody. |
| Updated on 2025/11/17 |
|